33 Fantatrao va ny lalàn'ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan'ireny ny tany va ianao?
34 Mahasandratra ny feonao ho amin'ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
35 Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
36 Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana?
37 Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon'ny lanitra,
38 Hitambaran'ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?
39 Mahay mihaza toha ho an'ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan'ny liona tanora,