1 Fantatrao va ny fotoana fiterahan'ny osi-dia any amin'ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan'ny dieravavy?
2 Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany?
3 Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.
4 Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
5 Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran'ny boriki-dia,
6 Izay nomeko ny tani'hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
7 Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson'ny mpampandeha;