11 Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
12 Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,
13 Tamin'ny eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,
14 Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.
15 Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.
16 Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:
17 Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?