1 Ary Jehovah mbola namaly an'i Joba nanao hoe:
2 Hiady amin'ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an'Andriamanitra no hamaly!
3 Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:
4 Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
5 Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.