19 Voalohany amin'ny asan'Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.
20 Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan'ny bibi-dia rehetra;
21 Eo ambanin'ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.
22 Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron'ny ony no manodidina azy
23 Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin'ny vavany aza.