11 Lelafo no mivoaka avy amin'ny vavany; Kilalaon'afo no mipariaka avy aminy.
12 Ny vavorony dia ivoahan'ny setroka, tahaka ny avy amin'ny vilany mangotraka, na amin'ny fahandroana.
13 Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin'ny vavany.
14 Ny vozony no itoeran'ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.
15 Mivalombalona ny hotraka amin'ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.
16 Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.
17 Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.