6 Iza no mahasokatra ny varavaran'ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina!
7 Reharehany ny faharaoraon'ny kirany, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin'ny tombo-kase ireo;
8 Mikirindro ireo, ka tsy azon'ny rivotra idirana eo anelanelany.
9 Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,
10 Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason'ny maraina.
11 Lelafo no mivoaka avy amin'ny vavany; Kilalaon'afo no mipariaka avy aminy.
12 Ny vavorony dia ivoahan'ny setroka, tahaka ny avy amin'ny vilany mangotraka, na amin'ny fahandroana.