1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin'ny mizana izy sy ny fahoriako!
3 Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.
4 Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.
5 Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin'ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin'ny fihinany?
6 Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin'atody?