12 Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?
13 Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.
14 Dia mampitahotra ahy amin'ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin'ny tsindrimandry;
15 Ka dia aleon'ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;
16 Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.
17 Inona moa ny zanak'olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,
18 Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?