18 Ary Jehovah dia saro-piaro ny taniny sady niantra ny olony.
19 Eny, Jehovah namaly ka nanao amin'ny olony hoe: Indro, hanatitra ny divay sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho anareo Aho, ka ho vokin'izany ianareo; Ary tsy havelako ho latsa any amin'ny Jentilisa intsony ianareo.
20 Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin'ny tany karankaina sy mariry; Ny loha-lalany ho any amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny vodi-lalany ho any amin'ny ranomasina andrefana; Ary ny hamaimboany hiakatra, ary ny fofon-dratsiny hisondrotra; Fa efa nanao zava-dehibe izy.
21 Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah.
22 Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-efitra, mamoa ny hazo, ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka.
23 Ary ianareo, ry zanak'i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa hanome anareo ny loha-orana onony Izy, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha.
24 Dia ho feno vary ny famoloana, ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo.