Josoa 12 MG1865

Ny anaran'ny mpanjaka izay novonoin'ny Zanak'Isiraely

1 Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'ny Zanak'Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan'i Jordana hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan'ny tani-hay

2 Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan'ny lohasaha sy ny antsasak'i Gileada, dia hatramin'ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin'ny taranak'i Amona,

3 ary ny ilany atsinanan'ny tani-hay hatramin'ny Ranomasina Kinerota ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay, dia ny Ranomasintsira, amin'ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin'ny tany atsimo eo am-bodin'i Pisga.

4 Ary azony koa ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, isan'ny Refaita sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy,

5 sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak'i Gileada, fari-tanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona.

6 Mosesy, mpanompon'i Jehovah, sy ny Zanak'Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ho lovan'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.

7 Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan'i Libanona, ka hatramin'ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seira, ka ny taniny nomen'i Josoa ny firenen'ny Isiraely araka ny fizarany,

8 dia ny any amin'ny tany havoana sy amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka sy amin'ny tani-hay sy amin'ny tany ambodin'ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin'ny tany atsimo, dia ny an'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita:

9 Ny mpanjakan'i Jeriko, iray; ny mpanjakan'i Ay, izay eo anilan'i Betela, iray;

10 ny mpanjakan'i Jerosalema, iray; ny mpanjakan'i Hebrona, iray;

11 ny mpanjakan'i Jarmota, iray; ny mpanjakan'i Lakisy, iray;

12 ny mpanjakan'i Eglona, iray; ny mpanjakan'i Gazera, iray;

13 ny mpanjakan'i Debira, iray; ny mpanjakan'i Gadera, iray;

14 ny mpanjakan'i Horma, iray; ny mpanjakan'i Arada, iray;

15 ny mpanjakan'i Libna, iray; ny mpanjakan'i Adolama, iray;

16 ny mpanjakan'i Makeda, iray; ny mpanjakan'i Betela, iray;

17 ny mpanjakan'i Tapoa, iray; ny mpanjakan'i Hefera, iray;

18 ny mpanjakan'i Afeka, iray; ny mpanjakan'i Lasarona, iray;

19 ny mpanjakan'i Madona, iray; ny mpanjakan'i Hazora, iray;

20 ny mpanjakan'i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan'i Aksafa, iray;

21 ny mpanjakan'i Tanaka, iray; ny mpanjakan'i Megido, iray;

22 ny mpanjakan'i Kadesy, iray; ny mpanjakan'i Jokneama any Karmela, iray;

23 ny mpanjakan'i Dora eo amin'ny havoan'i Dora, iray; ny mpanjakan'ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray;

24 ny mpanjakan'i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan'ny mpanjaka rehetra.

toko

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24