23 Izany no lovan'ny firenena taranak'Isakara araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
24 Ary ny loka fahadimy dia azon'ny firenena taranak'i Asera isam-pokony.
25 Ary ny fari-taniny dia Helkata sy Haly sy Batena sy Aksafa
26 sy Alameleka sy Amada sy Misala, dia nihatra any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata,
27 dia nitodika niantsinanana ho any Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha Jifta-ela any avaratra sy Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankavia
28 ary Ebrona sy Rehoba sy Hamona sy Kana ka hatrany Sidona lehibe,
29 dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tanàna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin'ny ranomasina teo akaikin'ny tany Akziba