42 sy Salabima sy Aialona sy Jitla
43 sy Elona sy Timna sy Ekrona
44 sy Elteke sy Gibetona sy Baleta
45 sy Jehoda sy Bene-beraka sy Gat-rimona
46 sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin'i Jopa.
47 Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak'i Dana, dia niady tamin'i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran'i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran'i Dana rainy.
48 Izany no lovan'ny firenena taranak'i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.