30 Dia nalevina tao amin'ny faritanin'ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
31 Ary nanompo an'i Jehovah ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny andro rehetra niainan'ny loholona izay velona taorian'i Josoa ka nahalala ny asa rehetra izay nataon'i Jehovah ho an'ny Isiraely
32 Ary ny taolan'i Josefa, izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin'ny tany izay novidin'i Jakoba volafotsy zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema; dia tonga lovan'ny taranak'i Josefa izany.
33 Dia maty koa Eleazara, zanak'i Arona, ka naleviny teo amin'ny havoan'i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin'ny tany havoan'i Efraima.