23 Ary ny mpanjakan'i Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin'i Josoa.
24 Ary rehefa namono ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin'ny efitra nanenjehany azy, ka lavo tamin'ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra mandra-pahalany ritrany, dia niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra.
25 Ary izay rehetra maty tamin'izany andro izany, na lehilahy na vehivavy, dia roa arivo amby iray alina, dia ny mponina rehetra tao Ay.
26 Ary Josoa tsy nampihemotra ny tànany izay nanondro tamin'ny lefona mandra-pandringana ny mponina rehetra tao Ay.
27 Nefa ny biby fiompy mbamin'ny fananana rehetra tao amin'izany tanàna izany dia nalain'ny Isiraely ho babony ihany, araka ny tenin'i Jehovah izay nandidiany an'i Josoa.
28 Ary Ay dia nodoran'i Josoa ka nofoanany ho tanànaolo mandrakizay, dia toy izany mandraka androany izy.
29 Ary ny mpanjakan'i Ay nahantony tamin'ny hazo mandra-paharivan'ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.