Levitikosy
toko 14:33-39
Malagasy Bible
33Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
34Rehefa tonga any amin'ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako habokana amin'ny tany fanananareo,
35dia handeha ny tompon-trano ka hilaza amin'ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao amin'ny tranoko.
36Dia hasain'ny mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandra-pihaviny hizaha ny aretina, mba tsy hahalotoan'ny zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita izany, dia ho avy ny mpisorona hizaha ny trano;
37ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa mihady eo amin'ny rindrin'ny trano izy ka maitsomaitso na menamena, ary milentika eo amin'ny rindrin-trano no fijeriny azy,
38dia hivoaka ho eo am-baravarana ny mpisorona ka hanidy ny trano tsy hivoha hafitoana.
39Ary hiverina ny mpisorona amin'ny andro fahafito, ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa nanitatra teo amin'ny rindrin'ny trano izy,