Levitikosy
toko 14:8-14
Malagasy Bible
8Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin'ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan'ny lainy hafitoana.
9Ary amin'ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin'ny rano, dia hadio izy.
10Ary amin'ny andro fahavalo dia haka zanak'ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak'ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga.
11Ary ny mpiosorona izay manadio ilay lehilahy hodiovina dia hametraka azy sy ireo zavatra ireo eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
12dia haka ny zanak'ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin'ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
13Ary hamono ny zanak'ondrilahy eo amin'ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin'ny fitoerana masina; fa ho an'ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho masina dia masina izany.
14Dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana,