Levitikosy
toko 21:17-23
Malagasy Bible
17Mitenena amin'i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin'ny zanakao, amin'ny taranany hatramin'ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny hanin'Andriamaniny;
18Fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanao izany na ny jamba, na ny mandringa, na ny petaka orona, na ny manana amby,
19na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tanana,
20na ny vokoka, na ny sahozanina, na ny misy pentimpentina eo amin'ny masony, na ny hatenina, na ny tsingaohina, na ny torotoro vihy.
21Ny olona rehetra amin'ny zanak'i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin'Andriamaniny.
22Ny hanin'Andriamaniny, izay avy amin'ny zavatra masina indrindra sy ny zavatra masina, dia azony hanina ihany;
23kanefa tsy mahazo miditra ao anatin'ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masina izy, fa Izaho Jehovah no manamasina azy.