Levitikosy
toko 22:2-8
Malagasy Bible
2Mitenena amin'i Arona sy ny zanany mba hitandremany ny amin'ny tsy hanakekeny ny zava-masina izay hamasinin'ny Zanak'Isiraely ho Ahy tsy hanamavoany ny anarako masina: Izaho no Jehovah.
3Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin'ny zanakareo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby, nefa manakaiky ny zava-masina izay hamasinin'ny Zanak'Isiraely ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho eo anatrehako: Izaho no Jehovah.
4Na iza na iza amin'ny taranak'i Arona no boka na marary mitsika dia tsy hihinana ny zava-masina mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan'ny azy,
5na izay mikasika biby mandady na mikisaka izay mahaloto, na lehilahy izay mahaloto, na inona na inona no fahalotoany,
6ny olona izay mikasika izany dia haloto mandra-paharivan'ny andro ka tsy hihinana amin'ny zava-masina, raha tsy mandro amin'ny rano.
7Ary rehefa milentika ny masoandro, dia hadio izy, ka vao izay no mahazo mihinana amin'ny zava-masina, satria fihinany izany.
8Izay maty ho azy, na izay noviravirain-biby, dia tsy hohaniny, mba tsy hahaloto azy: Izaho no Jehovah.