1 Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Morastita tamin'ny andro nanjakan'i Jotama sy Ahaza ary Hezetia, mpanjakan'ny Joda, dia ilay hitany ny amin'i Samaria sy Jerosalema.
2 Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra; Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; Ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo, Dia Jehovah avy ao amin'ny tempoliny masina.
3 Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin'ny fitoerany Ary midina ka mandia ny havoana amin'ny tany.
4 Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, Ary mivava ny lohasaha, Tahaka ny savoka taninin'ny afo, Sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin'ny hantsana.