5 Koa tsy hisy aminao hanenjana famolaina akory hanaovana filokana Ao amin'ny fiangonan'i Jehovah.
6 Aza miteniteny ianareo, hoy ny fiteniteniny; Aoka tsy hiteniteny ny amin'ireto izy, Tsy hita lany ny fanalam-baraka ataony!
7 He! izany teny izany! Ry taranak'i Jakoba, Malaky tezitra va ny Fanahin'i Jehovah? Ireto va no asa fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko?
8 Vao omaly no omaly no nitsanganan'ny oloko ho fahavalo; Hendahanareo hiala eo amin'ny lamba ny kapôtin'izay mandeha tsy manana ahiahy, Dia izay tsy tia ady.
9 Ny vehivavy eo amin'ny oloko dia roahinareo hiala amin'ny tranony mahafinaritra; Esorinareo hiala mandrakizay amin'ny zanany madinika ny voninahitro.
10 Mitsangàna, ka mialà (Fa tsy eto no fitsaharana), Satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto, eny, fandringanana mafy.
11 Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitori-teny aminao ny amin'ny divay sy ny zava-mahamamo aho, Dia izy no ho mpitori-tenin'ity firenena ity.