1 Masìna ianareo, mihainoa izay lazain'i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan'ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren'ny havoana ny feonao.
2 Mihainoa ny adin'i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan'ny tany; Fa Jehovah manana ady amin'ny olony, Eny, amin'ny Isiraely no ifandaharany.
3 Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho.
4 Fa nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin'ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.
5 Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon'i Balaka, mpanjakan'i Moaba, Sy izay navalin'i Balama, zanak'i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon'i Jehovah.
6 Inona no ho entiko manatona an'i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan'Andriamanitra Izay any amin'ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?
7 Ho sitrak'i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan'ny fanahiko?