13 Ny fiandohan'ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran'ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.
14 Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany?
15 Ny fisasaran'ny adala mahareraka azy, fa ny lalana mankany an-tanàna aza tsy fantany akory.
16 Lozanao, ry tany, raha zaza no mpanjakanao, ary ny lehibenao homa-maraina!
17 Sambatra kosa ianao, ry tany, raha tena karazan'andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin'izay fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy!
18 Ny fahalainana be no mampianjera ny lohatrano, ary ny hakamoan'ny tanana no mampitete ny trano.
19 Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra.