Mpitoriteny 1 MG1865

Ny tsy ahitana fahafaham-po, na dia amin'ny fitadiavam-pahendrena aza

1 Ny tenin'i Mpitoriteny, zanak'i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.

2 Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!

3 Inona no soa azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin'ny masoandro?

4 Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.

5 Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin'ny fitoerana izay niposahany.

6 Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.

7 Ny renirano rehetra dia samy mankamin'ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin'izay falehan'ny renirano ihany no iverenany indray.

8 Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.

9 Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin'ny masoandro.

10 Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin'ny andro talohantsika ihany izany.

11 Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan'izay handimby azy.

12 Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan'ny Isiraely tany Jerosalema;

13 ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny lanitra; asa mahareraka omen'Andriamanitra hisasaran'ny zanak'olombelona izany.

14 Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.

15 Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina.

16 Hoy izaho tamin'ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.

17 Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,

18 satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.

toko

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12