5 Ny adala manohon-tanana ka homana ny tenany.
6 Tsara ny eran-tànan'ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.
7 Ary izao koa no zava-poana hitako atỳ ambanin'ny masoandro:
8 Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin'ny harena, hanaovany hoe: Ho an'iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
9 Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.
10 Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.
11 Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?