17 Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?
18 Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin'itsy; fa izay matahotra an'Andriamanitra dia ho afaka amin'izany rehetra izany.
19 Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
20 Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota.
21 Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao;
22 fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.
23 Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin'ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany.