3 Aza malaky miala eo anatrehany; aza mikikitra amin'ny fanaovan-dratsy; fa na inona na inona sitrany dia azony atao avokoa;
4 fa ny tenin'ny mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?
5 Izay mitandrina ny didy tsy mba mikambana amin'ny fanaovan-dratsy; ary ny fon'ny hendry dia mahalala fotoana sy fitsarana;
6 fa samy manana ny fotoany sy ny fitsarana azy avy ny hevitra rehetra, satria efa be ny heloky ny olona.
7 Fa tsy mahafantatra izay ho avy izy; fa iza no hampahafantatra azy izay hihaviany?
8 Tsy misy olona manan-kery hahatana ny ainy, na manan-kery ny amin'ny andro hahafatesana; ary tsy misy fahafahana amin'ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin'ny faharatsiany.
9 Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin'ny nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro. Misy andro anapahan'ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.