15 Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen'i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
16 Ary ny taranak'ilay Kenita, zaodahin'i Mosesy dia niara-niakatra tamin'ny taranak'i Joda niala tao amin'ny tanàna be rofia hankany an-efitr'i Joda, atsimon'i Arada nandeha ireo ka nonina teo amin'ny Isiraely.
17 Ary Joda nandeha niaraka tamin'i Simeona rahalahiny, dia namely ny Kananita, izay nonina tany Zefata, ka nataony ringana ireo, ary ny anaran'ny tanàna nataony hoe Horma.
18 Dia afak'i Joda Gaza sy ny sisin-taniny an Askelona sy ny sisin-taniny ary Ekrona sy ny sisin-taniny.
19 Ary Jehovah nomba an'i Joda, ka dia azony ny tany havoana; nefa tsy naharoaka ny mponina teny amin'ny tany lemaka izy, satria nanana kalesy vy ireny.
20 Ary Hebrona dia nomeny an'i Kaleba, araka izay efa nolazain'i Mosesy, ka noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita.
21 Ary ny taranak'i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin'ny taranak'i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany.