3 Dia naniraka olona hankany aminy kosa aho hanao hoe: Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midina aho; nahoana no hilaozako midina any aminareo ny asa ka hatsahatra?
4 Kanefa mbola naniraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy izany ihany koa.
5 Dia nirahin'i Sanbala fanindiminy ny zatovony hankeo amiko araka izany ihany, nitondra taratasy nivelatra teny an-tànany,
6 izay nisy soratra hoe: Efa mahoraka any amin'ny firenena maro izao teny izao, sady lazain'i Gasema hoe: Hianao sy ny Jiosy dia mikasa hikomy, ka izany no anaovanao ny manda, ary araka izany teny izany dia mikasa ho mpanjakany, hono, ianao,
7 sady efa nanendry ny mpaminany maro hilaza anao any Jerosalema hoe Mpanjaka any Joda; ary ankehitriny dia ho ren'ny mpanjaka izany teny izany; koa avia isika hiara-mihevitra.
8 Dia naniraka ho any aminy aho hanao hoe: Tsy marina izany zavatra lazainao izany, fa tao am-ponao ihany no namoronanao izany.
9 Fa ta-hampahatahotra anay izy rehetra, ka hoy izy: Ho kivy amin'ny asa izy ka tsy hahatontosa. Koa ankehitriny ampaherezo e ny tanako!