6 Izao no lehilahy amin'izany tany izany, izay niakatra avy tamin'ny fahababoana, dia ireo nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy,
7 dia ny olona izay niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia izao:
8 Ny taranak'i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
9 ny taranak'i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
10 ny taranak'i Ara dia roa amby dimam-polo amby enin-jato;
11 ny taranak'i Pahatamoaba, dia avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
12 ny taranak'i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;