Nehemia 9:24-30 MG1865

24 Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany, ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin'ny mpanjakany sy ny vahoakany hanaovany azy araka ny sitrapony.

25 Ary nahazo tanana mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno zava-tsoa rehetra sy lavaka famorian-drano voahady sy tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin'ny fahatsaranao lehibe.

26 Kanefa nandà izy sady niodina taminao ary nanary ny lalànao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao, izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho aminao, ka nanao izay nampahasosotra indrindra izy.

27 Koa dia natolotrao ho eo an-tànan'ny fahavalony izy, ka nampahory azy ireny; nefa tamin'ny andro fahoriany dia nitaraina taminao izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary araka ny haben'ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony ireo.

28 Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tànan'ny fahavalony kosa izy, ka nanapaka azy ireny; fa nitaraina taminao indray izy, ary Hianao nihaino azy tany an-danitra ka namonjy izy matetika araka ny haben'ny fiantranao.

29 Ary nananatra azy mafy Hianao hampiverenanao azy ho amin'ny lalànao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao, fa nanota ny fitsipikao (iza mahavelona ny olona mankatò azy) ka nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony ary tsy nety nihaino.

30 Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin'ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-tànan'ny firenena amin'ny tany hafa.