1 Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan'i Jehovah ny olona, ary nony ren'i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon'i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin'ny toby.
2 Dia nitaraina tamin'i Mosesy ny olona; ary Mosesy nifona tamin'i Jehovah, dia maty ny afo.
3 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Tabera, satria nandoro azy ny afon'i Jehovah.
4 Ary ny olona hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak'Isiraely koa dia nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay!
5 Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay, maimaim-poana tany Egypta mbamin'ny voatango sy tongolo samy hafa karazana.
6 Fa izao dia maina ny ainay: tsy misy na inona na inona eto imasonay afa-tsy ny mana ihany.
7 Ary ny mana dia toy ny voan-drafy, ary ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny bedola.