1 Ary tamin'ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.
2 Ary tsy nisy rano ho an'ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin'i Mosesy sy Arona.
3 Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin'ny nahafatesan'ny rahalahinay teo anatrehan'i Jehovah!
4 Fa nahoana no nitondra ny fiangonan'i Jehovah ho amin'ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?