1 Ary izao no nandehan'ny Zanak'Isiraely, izay nentin'i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
2 Dia nosoratan'i Mosesy ny nialany araka ny nandehanany, araka ny didin'i Jehovah; ary izao no nandehanany araka ny nialany:
3 Niala tao Ramesesa Izy tamin'ny volana voalohany, dia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; nony ampitson'ny Paska no nivoahan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tanana avo teo imason'ny Egyptiana rehetra.
4 Fa ny Egyptiana mbola nandevina izay efa novonoin'i Jehovah teo aminy, dia ny lahimatoa rehetra; ary ny andriamaniny dia notsarain'i Jehovah.
5 Ary nony niala tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely, dia nitoby tao Sokota.
6 Ary nony niala tao Sokota izy, dia nitoby ao Etama, izay teo an-tsisin'ny efitra.