1 Ary tamin'ny andro nitsaran'ny mpitsara dia nisy mosary teo amin'ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin'ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny zanany roa lahy;
2 Elimeleka no anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran'ny vadiny, ary ny anaran'ny zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, Efratita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga tany amin'ny tany Moaba izy ka nitoetra tany.
3 Ary maty Elimeleka, vadin'i Naomy ka izy sy ny zanany roa lahy ihany no sisa.
4 Ary naka vady tamin'ny vehivavy Moabita izy roa lahy: Orpa no anaran'ny anankiray, ary Rota no anaran'ny anankiray; dia nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy.
5 Ary maty koa izy mirahalahy, dia Malona sy Kiliona, ka dia namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny ravehivavy.
6 Dia niainga izy sy ny vinantoni-vavy ka nody avy tany amin'ny tany Moaba; fa efa reny tany amin'ny tany Moaba fa novangian'i Jehovah ny olony ka nomeny hanina.
7 Dia niala tamin'izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha teny an-dalana izy hiverina any amin'ny tanin'ny Joda.