10 Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin'ny alinalina.
11 Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika.
12 Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan'ny sakeli-drano, mandro amin'ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy.
13 Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon'ny miora.
14 Ny tenany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira;
15 Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga miorina amin'ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an'i Libanona, tsara toy ny sedera.
16 Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin'i Jerosalema!