1 Indro, hisy andron'i Jehovah ho avy, ka ny babo aminao hozaraina ao am-povoanao.
2 Ary hangoniko ny jentilisa rehetra hamely an'i Jerosalema, dia ho afaka ny tanàna, ka horobaina ny trano, ary hosavihina ny vehivavy; ary ny an-tsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo, fa ny vahoaka sisa tsy dia hofongorana avokoa amin'ny tanàna.
3 Dia hivoaka Jehovah ka hiady amin'ireny jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin'ny andro fiadiana.
4 Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva. izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo.
5 Dia handositra ho any amin'ny lohasahan'ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela ny lohasahan'ny tendrombohitra; eny, handositra ianareo tahaka ny nandosiranareo ny horohorontany tamin'ny andron'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin'ny masina rehetra momba Azy.
6 Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra tsy hiseho intsony;
7 fa hisy andro iray, izay fantatr'i Jehovah, tsy andro na alina; nefa, raha hariva ny andro, dia hisy mazava.