Zakaria 5 MG1865

Fahitana fahenina: ny amin ilay horonan-taratasy manidina, sy ravehivavy ao anatin'ny vata famarana

1 Dia natopiko indray ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy horonan-taratasy manidina.

2 Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany.

3 Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin'ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa.

4 Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy ao an-tranon'izay mianian-tsy tò amin'ny anarako ary hitoetra ao amin'ny tranony ka handevona azy mbamin'ny hazony sy ny vatony.

5 Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io.

6 Dia hoy izaho: Inona moa io ? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana 'mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin'ny tany rehetra

7 (ary, indro, nisy vongam-piraka boribory naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao anatin'ny vata famarana.

8 Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin'ny vata famarana io; ary natontany teo am-bavan'io ny vato firaka.

9 Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan'ny tany sy ny lanitra ny vata famarana.7

10 Dia hoy izaho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran'ireto ny vata famarana.

11 Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin'ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin'ny fipetrahany izy.

toko

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14