8 Ary amin'izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, ka ny antsasany hankany amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny antsasany hankany amin'ny ranomasina andrefana, na amin'ny fahavaratra na amin'ny ririnina dia samy hisian'izany.
9 Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany.
10 Ho tonga tahaka ny tani-hay ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon'i Jerosalema; ary hasandratra sy honenana ao amin'ny fitoerany izy hatramin'ny vavahadin'i Benjamina ka hatreo amin'ny vavahady voalohany, hatramin'ny vavahady an-jorony, ary hatramin'ny tilikambo Hananela ka hatramin'ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
11 Dia hisy mponina any, ary tsy hisy ozona intsony, fa Jerosalema handry fahizay.
12 Ary izao no areti-mandringana hamelezan'i Jehovah ny firenena rehetra izay efa nanafika an'i Jerosalema: Hataony mihalevona am-pitsanganana ny nofony, ary hihalevona eo amin'ny itoerany ny masony, ary ny lelany koa hihalevona ao am-bavany.
13 Ary amin'izany andro izany dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin'i Jehovah ao aminy, ary hifampihazon-tanana izy, sady samy hanainga tanana hifamely.
14 Ary ny Joda koa hamely an'i Jerosalema, ary hovorina ny haren'ny firenena manodidina rehetra, dia volamena sy volafotsy ary fitafiana betsaka.