14 Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin'ny fahafatesana ihany.
15 Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
16 Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.
17 Ary izay rehetra manam-pananana amin'izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran'ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatiny?
18 Anaka, aoka tsy ho tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina.
19 Izany no hahafantarantsika fa avy amin'ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany,
20 na amin'inona na amin'inona no anamelohan'ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.