29 Raha tsy izany, hanao ahoana izay atao batisa ny amin'ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy?
30 Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva?
31 Lazaiko marina, ry rahalahy, amin'ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan'andro aho.
32 Raha araka ny fanaon'olona no niadiako tamin'ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin'izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty (Isa. 22. 13).
33 Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
34 Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
35 Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?