14 Raha maharitra ny asan'ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy.
15 Raha ho levon'ny afo ny asan'ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin'ny afo ihany izy.
16 Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo?
17 Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany.
18 Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.
19 Fa ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy (Joba 5. 13).
20 Ary indray: Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry fa zava-poana izany (Sal. 94. 11)