1 Efa re marina fa misy fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin'ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy.
2 Ary ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany?
3 Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an'ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho:
4 amin'ny anaran'i Jesosy Tompontsika - rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko omban'ny herin'i Jesosy Tompontsika -
5 hanolotra izany anankiray izany ho an'i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin'ny andron'i Jesosy Tompo.
6 Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra?