3 Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.
4 Koa raha misy hotsarainareo ny amin'ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon'ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara?
5 Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin'ny rahalahiny?
6 Fa ny rahalahy mandeha hiady amin'ny rahalahiny, na dia hotsarain'ny tsy mino aza.
7 Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin'ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo?
8 Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza.
9 Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita