27 Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va ianao? Aza mitady vady.
28 Nefa na dia hanam-bady aza ianao, dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanam-bady aza ny virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin'ny nofo ireny; fa izaho miantra anareo.
29 Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, mba ho toy ny tsy manam-bady ny manana amin'izao sisa izao;
30 ary mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; ary mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; ary mba ho toy izay tsy mahazo ny mividy;
31 ary mba ho toy izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny fanaon'izao fiainana izao.
32 Fa tiako tsy ho maro ahina ianareo. Izay tsy manam-bady dia miahy ny an'ny Tompo mba hahafaly ny Tompo.
33 Fa izay manam-bady kosa miahy ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy.