1 Tsy olona afaka va aho? Tsy Apostoly va aho? Tsy efa nahita an'i Jesosy Tompontsika va aho? Tsy asako ao amin'ny Tompo va ianareo?
2 Raha tsy Apostoly ho an'ny sasany aza aho, dia Apostoly ho anareo tokoa; fa ianareo no tombo-kase mah'Apostoly ahy ao amin'ny Tompo.
3 Izany no avaliko izay manadina ahy.
4 Moa tsy mahazo mihinana sy misotro va izahay?
5 Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan'ny mino va izahay, tahaka ny Apostoly sasany koa sy ny rahalahin'ny Tompo ary Kefasy?