2 Raha tsy Apostoly ho an'ny sasany aza aho, dia Apostoly ho anareo tokoa; fa ianareo no tombo-kase mah'Apostoly ahy ao amin'ny Tompo.
3 Izany no avaliko izay manadina ahy.
4 Moa tsy mahazo mihinana sy misotro va izahay?
5 Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan'ny mino va izahay, tahaka ny Apostoly sasany koa sy ny rahalahin'ny Tompo ary Kefasy?
6 Sa izaho ihany sy Barnabasy no tsy mahazo mitsahatra tsy miasa?
7 Iza no mandeha manafika ka mivelona amin'ny haren'ny tenany? Iza no manao tanim-boaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman'osy ka tsy mihinana ny rononony?
8 Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa?