19 fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
20 Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo
21 Izay mino an'Andriamanitra amin'ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin'ny maty ka nanome voninahitra Azy,- mba hiorenan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra.
22 Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo;
23 fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lò, fa tamin'ny tsy mety ho lò, dia ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra.
24 Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;
25 Fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" (Isa. 40.6 - 8). Ary izany no tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo.