10 Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
11 Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
12 Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo,
13 ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.
14 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra.
15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.
16 Mifalia mandrakariva.