1 Aoka izay andevo rehetra eo ambanin'ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba tsy hitenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra sy ny fampianarana.
2 Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.
3 Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an'i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,
4 dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala amin'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,
5 fifandirana lalandava, fanaon'ny olona vetaveta saina sady efa nialan'ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ho fahazoan-javatra.
6 Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana.